Ireo Atolotry Ny Blaogy.Com
Mampiasa TinyMCE
Efa mampiasa TinyMCE ny blaogy.com amin'izao fotoana izao.
Inona moa ny TinyMCE?
Ny TinyMCE no fitaovana anisan'ny tsara indrindra amin'ny fampiasana ny endritsoratra (matevina, mandry,Voatsipika, Voadiso). Efa azo ampiasaina tsara izany ity fitaovana ity amin'izao fotoana izao ka inoako fa afaka hanampy be dia be amin'ny fampidirana lahatsoratra eto amin'ny blaogy.com.
Endrika Vaovao... Kubrick
Nampidirana Endrika (Theme) vaovao indray ato amin'ny blaogy.com. Ny anarany hohitanao ao amin'ny lisitra dia kubrick
Ity endrika iray ity dia fampiasa matetika amin'ny blaogy mampiasa ny WordPress.
Indro ary ny sary
Avy Amin'ny W.Bloggar
Ny Atao Hoe Blaogy
- Diary isanandro
Ny olona sasany dia manao ny blaogy ho toa ny diary isanandro. Hitantarany ny fiainany, ny zava-nitranga tamin'ny andro iray... ny asany, ny olona nifanena taminy. Tahaka ny Journal saingy ity kosa dia ho hitan'ny olona rehetra ka hafa ny fomba fametrahany sy fitantarany azy. Izany rahateo no mahatonga ny blaogy misy kalandrie. Rehefa ela dia mahafinaritra ny mamaky izay nosoratanao folo taona lasa. - Eritreritra mandalo
Eo indray ireo mametraka eritreritra mandalo momba ny lohahevitra iray. Tsy vaotery ho isanandro fa isaky ny misy zavatra manaitra azy. Indraindray imbetsaka mihitsy ao anatin'ny andro iray. - Tantara antsary
Ny sasany indray dia manao ny blaoginy ho karazana tantara antsary. Mety hoe fitantarana ny diany tamina toerana iray. Fitantarana fialantsasatra miaraka amin'ny sary. Tantaran'ny sombim-piainany ara-tsary. Na ny sariny isanandro ih any koa.
Endrika (Themes) Telo Vaovao
Nampiditra endrika telo vaovao indray ny ato amin'ny blaogy.com
- forange
- fallingleaves
- minima plus
Azonao ovaina hatrany ny endriky ny blaoginao.
Ny fanovana ny endriky ny blaogy dia toa izao.
- Ampidiro ny solonanarana sy tenimiafina
- Mandehana eo amin'ilay hoe Réglages (etsy ambony)
- Tsindrio ilay hoe Paramètres du Blog
- Jereo ery ambanimbany ery ilay hoe Endrika dia safidio ao izay hitanao fa tsara ho anao.
Solonanarana.Blaogy.Com
Tonga ny nandrasana. Manomboka amin'izao dia azonao jerena amin'ny adiresy solonanarana.blaogy.com ny blaoginao.
Mora kokoa ny mampiely azy amin'izay
Afaka Mampiditra Sary Avy Amin'ny Flickr
- Rehefa tafiditra ao amin'ny flickr dia mandeha ao amin'ilay hoe Blog pages (na rohy mivantana http://flickr.com/blogs.gne ). Dia mampiditra blaogy vaovao (Set up your blog).
- Fidio ao amin'ny karazany ao ny hoe MetaWeblogAPI satria io no ampiasain'ny blaogy.com
- Ampidirina ny adiresy http://blaogy.com/xmlrpc.php miaraka amin'ny solonanarana sy tenimiafina.
Eo amin'ny sarinao amin'izay misy soratra hoe Blog this dia tsindriana iny dia afaka alefa amin'izay ny sary.
Ity sary ity izao dia avy ao amin'ny flickr.com
Andramo fa mora
Fanampiny
Nampiditra fanazavana arahintsary i fraz ao amin'ny blaoginy ka azonao jerena ny rohy eto ambany
http://fraz.blaogy.com/post/10/743
(tohiny)Raha Misy Fanontaniana Na Fangatahana
Fanafenana Ny Lahatsoratra
Raha toa ka manoratra ianao kanefa tsy tianao ho hitan'ny olona rehetra, fa olona vitsivitsy fotsiny, dia azonao atao ny mampiasa ny Fanafenana ny lahatsoratra
Ahoana no atao hanafenana ny lahatsoratra?
Sary Any Amin'ny Serasera Haseho Eto Amin'ny Blaogy
Manomboka izao dia misy rohy hoe [Alefaso @ blaogy] eo ambanin'ny sarinao ao amin'ny takelaky ny namana.serasera.org. Raha tsindrinao io rohy io dia misy fomba handefasanao ny sarinao ao amin'ny namana ho hita eto amin'ny blaoginao.
Raha misy fanontaniana na sosokevitra dia azonao apetraka eto.
Endrika Vaovao: Violety :-)
Misy Endrika (Templates) vaovao nampidirina indray. Violety no nataoko anarany. Io no endrika voalohany namboariko ho an'ny eto amin'ny blaogy.com. Raha mahaliana anareo dia azonareo ampiasaina. Jereo ato ambany ny sariny.
Blaogy.Com éVolue Vite
Oui, blaogy.com, bien que beta, évolue très vite. Avec le puissant xmlrpc serveur API à l'intérieur, nous pouvons le pomper de l'extérieur (poster des photo à partir de flickr.com, utiliser w.bloggar, et bientot poster via email et MMS)
Cette semaine je vais ajouter quelques templates (modèles)... et la semaine prochaine on va ajouter d'autres services.
Comme serasera.org, blaogy.com aura une version complètement en malgache... mais aussi en d'autres langues.
Fandefasana Hafatra Avy Amin'ny Imailaka
tianao hiseho ao amin'ny blaogy.com. Blaog'imailaka no iantsoantsika
azy.
Rehefa mandefa imailaka ho an'ny [email protected]
ianao dia hitranga ao amin'ny blaoginao ny lahatsoratra nalefa. Tandremo,
tsy ny tenimiafina fampiasanao isanandro no antsoina hoe fanalahidy eto.
Inona avy ny zavatra atao? (tohiny)
Endrika Telo Vaovao
Endrika telo vaovao indray no nampidiriko tao amin'ny blaogy.com androany izay azon'ny mpi-blaogy ampiasaina. Endrika avy amin'ny wordpress ihany ireto no novaina hifanaraka amin'ny blaogy.com. Ireto endrika telo ireto dia samy mampiasa Gravatar sy smiley. Tsy maintsy ampiharinao hampiasa ireo ny blaogy (jereo ny Plugins) vao afaka mitranga ny gravatar sy ny smiley.
Ireto avy ary izany endrika telo izany (tsindrio ny sary raha te hijery azy akaiky)
Endrika Tsotra Dia Tsotra Roa
(tohiny)
Endrika Vaovao: Imhotep
Endrika anakiray vaovao hisantarana ity weekend ity indray. Imhotep no anarany. Jereo eto ambany ny sariny. Tsindrio raha te hahita ny sary lehibe kokoa.
CSS Overwrite Plugin
I have just released CSS Overwrite Plugin. This is the first plugin I created for lifetype.
It is in fact an alternative for the TemplateEditor plugin. This allows blogger to overwrite an existing CSS in a template or create/import CSS in a completely blank template.
To use it. Just paste de code below in the header.template of the template that should be overwritten. You can put it just after </head>
{if $cssoverwrite->isEnabled()} {/if}
you can download it here
Ahoana Ny Fanovana Endriky Ny Blaogy?
Miezaka hatrany izahay mampiditra endrika vaovao ho an'ny blaogy.com. Azonao jerena amin'ity adiresy ity (http://admin.blaogy.com/category/1/83) ny filazana momba ny endrika vaovao.
Toa izao ary ny fanovana ny endriky ny blaoginao.
1. Fomba tsotra dia tsotra
Mandehana ao amin'ny Toerana fandrindrana (http://blaogy.com) dia ampidiro ny solonanarana sy tenimiafina. Rehefa avy eo dia tsindrio ny anaran'ny blaoginao eo akaikin'ilay hoe Fidirana>>. Dia ery ambony misy hoe Réglages (Fanamboarana) dia tsindrio io. Rehefa tafiditra ao ianao dia tsindrio ilay hoe Paramètres du blog (Fanovana ny blaogy) dia ho hitanao fa be dia be ny zavatra azonao ovaina momba ny blaoginao. Anisan'izany ny endrika. Jereo ery ambanimbany misy hoe Endrika. Misafidiana endrika eo dia tsindrio ny bokotra [Tehirizo]. Azonao jerena amin'izay rehefa avy eo fa niova ny endriky ny blaoginao.
2. Amin'ny alalan'ny CSS
Napetraka ato amin'ny blaogy.com amin'izao fotoana izao ilay plugin
hoe Fanovana CSS (CSS Overwrite plugin). Ny ataon'io plugin io dia
manova ny endriky ny blaogy arakaraka izay hanaovanao azy. Mila mahay
ny antsoina hoe CSS vao afaka manova azy.
Mandehana ao amin'ny Réglages -> Templates -> Fanovana CSS dia
apetraho ao ny fanovana tianao hatao.
Ohatra fotsiny
Raha tianao hatao lehibe kokoa ny soratra dia ataovy hoe
body {
font-size: 13px;
}
Adiresy Moramora Kokoa
Mba hahamoramora kokoa ny fidirana sy fijerena ny lahatsoratra dia natao moramora kokoa ny adiresy. Manomboka izao dia sahala amin'izao dia efa tonga ao amin'ny lahatsoratra iray http://admin.blaogy.com/post/1/364 marihana fa mbola mandeha foana ny rohy hafa teo aloha (Raha tsy hoe nanova anarana blaogy ianao)
Mizàra ihany koa manokatra ny blaoginao amin'ny rohy http://solonanarana.blaogy.com fa manampy be dia be ny fitaovampikarohana toa ny Google sy ny Yahoo izany.
Atao Ahoana Ny Fampidirana Lahatsoratra?
Tsotra dia tsotra ny fampidirana lahatsoratra ao amin'ny blaogy.com.
Rehefa avy manokatra ny blaoginao ianao dia afaka mampiditra lahatsoratra amin'izay.
Ampidiro eo amin'ny fidirana aloha ny solonanarana sy tenimiafina serasera.org
Rehefa avy eo dia tafiditra ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ianao.
Toa izao no ao amin'ny toeran'ny mpandrindra
Tsindrio eo amin'ny ilay anaran'ny blaoginao akaikin'ny Fidirana
Rehefa avy eo ianao dia tonga dia afaka manoratra amin'izay ka toa izao no firindrany.
- Apetraho ny lohateny (Apetraho eo amin'ilay hoe Sujet - Votoatiny)
- Soraty eo amin'ilay hoe Texte - Lahatsoratra ny tapany amin'ilay lahatsoratra tianao hiseho ao amin'ny pejy voalohan'ny blaoginao. Azonao apetraka eo daholo ny lahatsoratra rehetra
- Raha toa ka misy tapany hafa ilay lahatsoratra (ohatra hoe lahatsoratra lava) ka tsy tianao hitranga manontolo ao amin'ny pejy voalohany dia apetraho eo amin'ilay hoe Texte étendu - Lahatsoratra fanampiny ny tapany faharoa amin'ilay lahatsoratra
- Ery ankavanana dia misy ny Daty - Date izay manondro ny daty sy ora andefasana ny lahatsoratra. Azonao ovaina io, indrindra raha tsy mitovy amin'ny daty tianao hiseho. Jereo fa misy kalendrier kely eo akaikiny eo dia azonao ifidianana ny daty.
- Eo ambany havanana dia misy hoe Sokajy - Catégories Azonao atao ny mifidy sokajy eo mikasika ny lahatsoratra. Afaka mifidy sokajy iray na maromaro ianao. Raha hifidy sokajy maro dia tsindrio ny Controle amin'ny "clavier" dia tsindrio ny sokajy izay tiana hofidiana
- Raha ohatra ka tsy tianao hanisy hevitra ny lahatsoratra dia azonao tsy ampiharina ilay hoe Hevitra - Commentaires eo ambany havanana
- Raha tsy tianao ny hahazo hafatra imailaka isaky ny misy mametraka hevitra amin'io lahatsoratra io dia esory ilay hoe Handefaso hafatra raha misy mametraka hevitra - Notification de nouveaux commentaires
(tohiny)
Ahoana Ny Fanovana Ny Teny?
Ny fanovana ny mombamomba ny blaoginao dia ao amin'ny Réglages - Fanovana no ahitanao azy.
Midira ao amin'ny Toerana fandrindrana dia tsindrio ny anaran'ny blaoginao dia ery ambony ery misy hoe Réglages (Fanovana)
Ahoana Ny Fampidirana Sary
Efa nisy lahatsoratra sy sarimihetsika mihitsy :-) nataon'i lapino momba ny fampidirana sary ka azonao jerena amin'ny adiresy eto ambany
http://lapino.blaogy.com/post/7/22
Blaogy Amin'ny Teny Espagnol
Gaga aho androany fa toa mifidy teny espanola daholo izay nanokatra blaogy teto amin'ny blaogy.com. Dia gaga aho hoe betsaka kosa izany gasy mahaty teny espanola izany. Nisalasala ihany anefa aho dia nanao andrana fanokana blaogy. Dia izay vao hitako hoe inona ny antony.
Rehefa tonga ao amin'ilay hoe Hanokatra blaogy dia rehefa manome anarana ny blaogy sy mifidy teny dia ny teny espanola no voalohany mitranga ao. Koa raha tsy mifidy teny hafa ianao toa ny Teny malagasy na hafa... dia lasa teny espanola ny blaoginao... dia izay vao hitako hoe na tsy namaky tsara ireo olona ireo, na tsy nazava taminy izay novakiany fa mbola notsindriany ihany ilay bokotra hoe Manaraka na dia nanandrakandrana fotsiny tamin'izao fa izay lalany any lalany.
Tsy olana izany, azy ny blaogy... dia azony atao na dia @ teny arabo aza... fa inoako fa hainy koa ny mamerina ny teny ho teny gasy raha sendra tsy fanahiniana.
Jereo ihany ilay hoe Fanorotoroana http://admin.blaogy.com/category/1/92
Efa nahitsy ho ny teny malagasy izany no voalohany ao.
Endrika Efatra Vaovao
Endrika iray ihany fa afaka manana loko efatra... noho izany endrika efatra. Nampidirina ho azo ampiasaina ato amin'ny blaogy.com ny endrika Minima karazany efatra dia ny Minima, Minima black, Minima blue ary Minima ochre. Ho an'izay efa nampiasa ny blogger.com dia mahalala tsara azy ireo. Tsotra sy maivana kanefa mendrika.
Ireto ny sary famintinana. Tsindrio ny sary raha tiana hohalehibiazina.
(tohiny)Filaharan'ny Lahatsoratra
Manomboka izao dia azonao ovaina ny filaharan'ny lahatsoratra ao amin'ny blaoginao. Azo ovaina hoe ny tranainy no aseho aloha na ny vaovao no aseho aloha.
Natao indrindra izany ho an'ireo mametraka tantara (toa ny tadiompitiavana.blaogy.com) mba ahafahana mamaky voalohany ny zavatra nampidirina voalohany.
Raha tianao hovaina ny firindran'ny lahatsoratra ao amin'ny blaoginao dia midira ao amin'ny Toerana fandrindrana, tsindrio ny Anaran'ny blaoginao. Avy eo dia tsindrio ilay hoe Réglages (Fanovana) dia midira ao amin'ny Paramètres du blog (fanovana ny blaogy) dia ho hitanao ery ambany ery ny hoe Filaharan'ny lahatsoratra.
Misy Tsikera Tsisy Dikany Ny Blaogiko?
Raha toa sendra misy mametraka tsikera maro be tsy misy dikany ny blaoginao (Io ilay antsoina ihany koa hoe spam) dia jereo ity rohy ity http://lapino.blaogy.com/post/7/700 fa manazava ny fomba fialàna amin'izany i Lapino ao amin'ny blaoginy.
Ahoana Ny Fampidirana Sary (Tohiny)
Araka ny nohazavain'i lapino tao amin'ny blaoginy izany dia inoako fa efa haintsika ny fampidirana sary.
Fahatapahana Naharitra
Nandalo fahatapahana nandritra ny ora vitsivitsy ny blaogy.com noho ny famindrana azy ho amin'ny serveur iray matanjaka kokoa. Amin'izao fotoana izao dia efa miverina amin'ny laoniny izany. Ialana tsiny amintsika rehetra ary isaorana be dia be tamin'ny faharetana.
Raha sendra misy olana dia mametraha hevitra eto ambany.
Hery
Ahoana Ny Fampidirana Video (YouTube - Dailymotion Etc.)
(tohiny)
Mandalo Fanamboarana Ny Blaogy.Com
Mandalo fanamboarana kely ny blaogy.com amin'izao fotoana izao. Tsy ny endrika fotsiny fa ny ao anatiny mihitsy. Mbola tsy vita tanteraka ny fanamboarana na dia efa azo vakiana aza ny lahatsoratra rehetra sy ny sary.
Ezahiko vitaina androany dia holazaina anareo eto ihany ny tohiny.
Manomboka Mandeha Ny Blaogy.Com
Efa mandeha tsikelikely ny blaogy.com amin'izao fotoana izao taorian'ny fanavaozana izay natao omaly. Efa afaka miditra sy manoratra. Ny Endriky ny blaogy sasany no niova mandrapaha-vitan'ny fanavaozana tanteraka. (tohiny)
Olana: Solonanarana Misy Sora-Baventy =≫ Voavaha
Hitako hoe tsy misokatra ny blaogin'ireo namana izay mitondra solonanarana misy sora-baventy (ohatra Tokinao, Vanilla, DotMG sns). Eo am-pikarohana ny antony sy ny mety ho vahaolana aho io koa manàna faharetana kely.
2007-04-11 16:26:07 - Voavaha koa ity olana ity
Fampidirana Video YouTube Sns.
Efa nanao filazana momba ny fampidirana video amin'ny alalan'ny YouTube sy DailyMotion ihany aho tany aloha. Amin'izao fanatsarana izao dia mora kokoa noho io voalazako io ny fomba fampidirana video eto amin'ny blaogy.com (tohiny)
Fampidirana Flash Player Sns
Azo atao koa amin'izao fotoana izao ny mampiditra fichiers hafa toa ny flash (swf) na video (mila fantatra ny toerana misy ilay video).
Misy sary kely toa izao rehefa hanoratra dia io no tsindriana (Raha tsy mitranga io sary io dia tsindrio aloha ny Ctrl+F5).
Ohatra : Radiovazogasy
Lahatsoratra Miafina: Mandeha Indray
Voatery namboarina sy nohamafisina ny momba ny lahatsoratra miafina teto amin'ny blaogy.com. Amin'izao fotoana izao dia mandeha indray izany.
Fampidirana Hira mp3
Amin'izao fotoana izao dia misy fomba fampidirana hira vaovao eto amin'ny blaogy.com.
Raha hampiditra hira (mp3) dia tsindrio fotsiny ilay sary dia ampidirina ny adiresy misy an'ilay hira. Ohatra http://andrana.com/hira.mp3
Toa izao no fivoakany
Tsy Mbola Manana Blaogy
Tsy manana blaogy io namana nojerenao io.
Raha toa ka te hanokatra blaogy ianao dia mandehana eto dia ampidiro ny solonanarna sy ny tenimiafina.
Marihina fa tsy maintsy mpikambana amin'ny serasera.org ianao vao afaka manokatra blaogy.
Raha te hiditra ho mpikambana dia mandehana eto
Hijanona Sa Hanohy?
Hitako sarotra be ny manohy ny blaogy.com amin'izao endriny mampiasa Lifetype izao. Efa efa najanon'ny tompony sy ny communauté mantsy ny développement-n'ny Lifetype ary tsy nisy nandray. Tsy vita samy irery anefa ny handray an-tanana azy. Anakiroa izany ny safidy: na hajanona tanteraka ny blaogy.com na tohizana fa mampiasa plateforme hafa na mamorona mihitsy.
Ilay hamorona plateforme mihitsy no ihoriranan'ny saiko amin'izao. Mieritreritra ny hanohy ny blaogy.com amin'ny alalan'ny CodeIgniter izay feheziko tsara. Azo atao koa anefa ny miditra amin'ny Plateforme hafa tahaka ny Symfony ohatra... Dia mbola eo am-pieritreretana tanteraka amin'izao.