Endrika Telo Vaovao

admin 19 Martsa, 2006 15:50 Endrika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Endrika telo vaovao indray no nampidiriko tao amin'ny blaogy.com androany izay azon'ny mpi-blaogy ampiasaina. Endrika avy amin'ny wordpress ihany ireto no novaina hifanaraka amin'ny blaogy.com. Ireto endrika telo ireto dia samy mampiasa Gravatar sy smiley. Tsy maintsy ampiharinao hampiasa ireo ny blaogy (jereo ny Plugins) vao afaka mitranga ny gravatar sy ny smiley.

Ireto avy ary izany endrika telo izany (tsindrio ny sary raha te hijery azy akaiky)

 (tohiny)

Endrika Tsotra Dia Tsotra Roa

admin 20 Martsa, 2006 02:47 Endrika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Ireto endrika roa nampidirina androany ireto kosa dia tsotra dia tsotra. Tsy misy sary, noho izany dia haingana kokoa. Ny iray mazava ny iray matroka. Natao ho an'ireo tsy dia be filirony loatra.
 (tohiny)

Endrika Vaovao: Imhotep

admin 25 Martsa, 2006 04:14 Endrika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Endrika anakiray vaovao hisantarana ity weekend ity indray. Imhotep no anarany. Jereo eto ambany ny sariny. Tsindrio raha te hahita ny sary lehibe kokoa.

Imhotep


CSS Overwrite Plugin

admin 26 Martsa, 2006 15:19 Endrika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

I have just released CSS Overwrite Plugin. This is the first plugin I created for lifetype.

It is in fact an alternative for the TemplateEditor plugin. This allows blogger to overwrite an existing CSS in a template or create/import CSS in a completely blank template.

To use it. Just paste de code below in the header.template of the template that should be overwritten. You can put it just after </head>


{if $cssoverwrite->isEnabled()} {/if}

 

you can download it here

cssoverwrite.zip 


Ahoana Ny Fanovana Endriky Ny Blaogy?

admin 26 Martsa, 2006 15:45 Endrika, Vaovao, Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Miezaka hatrany izahay mampiditra endrika vaovao ho an'ny blaogy.com. Azonao jerena amin'ity adiresy ity (http://admin.blaogy.com/category/1/83) ny filazana momba ny endrika vaovao. 

Toa izao ary ny fanovana ny endriky ny blaoginao.

1. Fomba tsotra dia tsotra

Mandehana ao amin'ny Toerana fandrindrana (http://blaogy.com) dia ampidiro ny solonanarana sy tenimiafina. Rehefa avy eo dia tsindrio ny anaran'ny blaoginao eo akaikin'ilay hoe Fidirana>>. Dia ery ambony misy hoe Réglages (Fanamboarana) dia tsindrio io. Rehefa tafiditra ao ianao dia tsindrio ilay hoe Paramètres du blog (Fanovana ny blaogy) dia ho hitanao fa be dia be ny zavatra azonao ovaina momba ny blaoginao. Anisan'izany ny endrika. Jereo ery ambanimbany misy hoe Endrika. Misafidiana endrika eo dia tsindrio ny bokotra [Tehirizo]. Azonao jerena amin'izay rehefa avy eo fa niova ny endriky ny blaoginao.

2. Amin'ny alalan'ny CSS

Napetraka ato amin'ny blaogy.com amin'izao fotoana izao ilay plugin
hoe Fanovana CSS (CSS Overwrite plugin). Ny ataon'io plugin io dia
manova ny endriky ny blaogy arakaraka izay hanaovanao azy. Mila mahay
ny antsoina hoe CSS vao afaka manova azy.

Mandehana ao amin'ny Réglages -> Templates -> Fanovana CSS dia
apetraho ao ny fanovana tianao hatao.

Ohatra fotsiny

Raha tianao hatao lehibe kokoa ny soratra dia ataovy hoe


body {
font-size: 13px;
}

 (tohiny)
«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8  Manaraka»

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)