Endrika Telo Vaovao

admin 19 Martsa, 2006 15:50 Endrika Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Endrika telo vaovao indray no nampidiriko tao amin'ny blaogy.com androany izay azon'ny mpi-blaogy ampiasaina. Endrika avy amin'ny wordpress ihany ireto no novaina hifanaraka amin'ny blaogy.com. Ireto endrika telo ireto dia samy mampiasa Gravatar sy smiley. Tsy maintsy ampiharinao hampiasa ireo ny blaogy (jereo ny Plugins) vao afaka mitranga ny gravatar sy ny smiley.

Ireto avy ary izany endrika telo izany (tsindrio ny sary raha te hijery azy akaiky)

 

ChinaRed: Mazava avy amin'ny anarany. Mena ary misy sarina dragona sinoa. Ho an'izay tia mena matroka.  

ChinaRed

GanjaPress: Maitso feno. Misy raviny . Natao ho an'ireo izay mpandrevirevy. 

 

Scattered: Mazavazava, sary làlana no eo amin'ny tapany ambony. Ho an'ny blaogy fitantarana làlana na dia, làlam-piainana sns. Misy menu manokana ery ambony.

 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)