Ireo Atolotry Ny Blaogy.Com

admin 05 Martsa, 2006 17:32 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Ireto avy ny zavatra atolotry ny Blaogy.com amin'izao fotoana izao... ary tsy mitsaha-mitombo izany.
  • Endritsoratra hita avy hatrany
    Rehefa manoratra ianao dia hitanao avy hatrany na hataonao matevina na sora-mandry na voatsipika na voatsipika koa ny teny.
  • Fampidirana sary
    Mora dia mora ny fampidirana sary. Azonao alaina avy ao amin'ny Rakitra (Ressources) na sary efa mipetraka any amin'ny toeran-kafa.
  • Lahatsoratra isaky ny sokajy
    Izany hoe avondrona isaky ny sokajy ny lahatsoratrao tsirairay.
  • Hevitra isaky ny lahatsoratra
    Misy toerana ahafahan'ny mpitsidika mametraka hevitra amin'ny lahatsoratra napetrakao ao amin'ny blaoginao. Azonao amboarina mba hahazo filazana ianao isaky ny misy mametraka hevitra amin'ny lahatsoratra. Ary azonao atao ny manaiky na tsia ny fametrahana hevitra.
  • Vakiraoka
    Mbola azonao tsy avoaka ny lahatsoratra nosoratanao fa azonao tehirizina ao anaty vakiraoka.
  • Tahirintsary
    Eny, afaka manana tahirintsary ihany koa ianao hametrahanao ny sary isankarazany.
  • Endrika isankarazany
    Misy endrika isan-karazany azonao isafidianana, ary azonao ovaina hatrany. Raha misy endrika mety mahaliana anao hafa ihany koa kanefa tsy ao anaty lisitra dia azonao ilazàna izahay dia ezahina hampidirina.
  • Endrika azo ovaina
    Azonao atao ihany koa ny manova ny endrika araka izay tianao amin'ny alalan'ilay Fanovana CSS ao amin'ny blaogy.com Araka izany dia azonao ovaina ny sary, ny endri-tsoratra sns.
  • Lahatsoratra voaaro
    Azonao afenina tsy ho hitan'ny rehetra afats'izay omenao tenimiafina manokana ny lahatsoratra tsirairay
  • Mampiasa teny maro
    Raha tianao hiteny hafa ankoatra ny malagasy ny blaoginao dia afaka misafidy teny hafa ihany koa ianao.
  • Adiresy anao manokana
    solonanarana.blaogy.com
    hahamora ny fidiran'ny olona amin'ny blaoginao.


Mbola misy zavatra hafa izay hapetraka tsikelikely ihany koa fa miankina amin'ny filàn'ny tsirairay...


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)