Ahoana Ny Fanovana Endriky Ny Blaogy?

admin 26 Martsa, 2006 15:45 Endrika, Vaovao, Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Miezaka hatrany izahay mampiditra endrika vaovao ho an'ny blaogy.com. Azonao jerena amin'ity adiresy ity (http://admin.blaogy.com/category/1/83) ny filazana momba ny endrika vaovao. 

Toa izao ary ny fanovana ny endriky ny blaoginao.

1. Fomba tsotra dia tsotra

Mandehana ao amin'ny Toerana fandrindrana (http://blaogy.com) dia ampidiro ny solonanarana sy tenimiafina. Rehefa avy eo dia tsindrio ny anaran'ny blaoginao eo akaikin'ilay hoe Fidirana>>. Dia ery ambony misy hoe Réglages (Fanamboarana) dia tsindrio io. Rehefa tafiditra ao ianao dia tsindrio ilay hoe Paramètres du blog (Fanovana ny blaogy) dia ho hitanao fa be dia be ny zavatra azonao ovaina momba ny blaoginao. Anisan'izany ny endrika. Jereo ery ambanimbany misy hoe Endrika. Misafidiana endrika eo dia tsindrio ny bokotra [Tehirizo]. Azonao jerena amin'izay rehefa avy eo fa niova ny endriky ny blaoginao.

2. Amin'ny alalan'ny CSS

Napetraka ato amin'ny blaogy.com amin'izao fotoana izao ilay plugin
hoe Fanovana CSS (CSS Overwrite plugin). Ny ataon'io plugin io dia
manova ny endriky ny blaogy arakaraka izay hanaovanao azy. Mila mahay
ny antsoina hoe CSS vao afaka manova azy.

Mandehana ao amin'ny Réglages -> Templates -> Fanovana CSS dia
apetraho ao ny fanovana tianao hatao.

Ohatra fotsiny

Raha tianao hatao lehibe kokoa ny soratra dia ataovy hoe


body {
font-size: 13px;
}

Ohatra vitsivitsy.

 Raha tianao hasiana sary (na hovaina ny sary) ery ambonin'ny blaoginao dia asio an'ity ao amin'ny Fanovana CSS

    #header {
        background: url(adiresin'ny sary) no-repeat;
    }

 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)