Mandra-pisian'ny fitaovana vaovao izay ho hitantsika tsy ho ela eto amin'ny blaogy.com dia toa izao no fomba fampidirana video.
- Ampidiro ao amin'ny Youtube na Dailymotion na GoogleVideo ny video izay nalainao.
- Rehefa avy eo dia alaivo (copier) ilay "code HTML" izay atolotry ny Youtube na Dailymotion etc.
Raha Youtube ohatra dia toa izao no ho hitanao
Raha Dailymotion kosa dia toa izao
- Reheva avy eo dia miverena eto amin'ny toerana fanoratana dia tsindrio ilay bokotra hoe HTML
- Apetaho (coller) ao anatin'io ilay "code HTML" izay natolotry ny Youtube na Dailymotion.
- Tsindrio amin'izay ilay hoe UPDATE
- Dia tafiditra soa amantsara ny video izay nalainao.
Marihina fa mety tsy ho hitanao eo amin'ny toerana fanoratana ilay izy fa mitranga kosa ary amin'ny blaogy.