Atao Ahoana Ny Fampidirana Lahatsoratra?

admin 29 Martsa, 2006 15:58 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tsotra dia tsotra ny fampidirana lahatsoratra ao amin'ny blaogy.com.

Rehefa avy manokatra ny blaoginao ianao dia afaka mampiditra lahatsoratra amin'izay.

Ampidiro eo amin'ny fidirana aloha ny solonanarana sy tenimiafina serasera.org

Rehefa avy eo dia tafiditra ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ianao.

Toa izao no ao amin'ny toeran'ny mpandrindra

Tsindrio eo amin'ny ilay anaran'ny blaoginao akaikin'ny Fidirana

 

Rehefa avy eo ianao dia tonga dia afaka manoratra amin'izay ka toa izao no firindrany.

  1. Apetraho ny lohateny (Apetraho eo amin'ilay hoe Sujet - Votoatiny)
  2. Soraty eo amin'ilay hoe Texte - Lahatsoratra ny tapany amin'ilay lahatsoratra tianao hiseho ao amin'ny pejy voalohan'ny blaoginao. Azonao apetraka eo daholo ny lahatsoratra rehetra
  3. Raha toa ka misy tapany hafa ilay lahatsoratra (ohatra hoe lahatsoratra lava) ka tsy tianao hitranga manontolo ao amin'ny pejy voalohany dia apetraho eo amin'ilay hoe Texte étendu - Lahatsoratra fanampiny ny tapany faharoa amin'ilay lahatsoratra
  4. Ery ankavanana dia misy ny Daty - Date izay manondro ny daty sy ora andefasana ny lahatsoratra. Azonao ovaina io, indrindra raha tsy mitovy amin'ny daty tianao hiseho. Jereo fa misy kalendrier kely eo akaikiny eo dia azonao ifidianana ny daty.
  5. Eo ambany havanana dia misy hoe Sokajy - Catégories Azonao atao ny mifidy sokajy eo mikasika ny lahatsoratra. Afaka mifidy sokajy iray na maromaro ianao. Raha hifidy sokajy maro dia tsindrio ny Controle amin'ny "clavier" dia tsindrio ny sokajy izay tiana hofidiana
  6. Raha ohatra ka tsy tianao hanisy hevitra ny lahatsoratra dia azonao tsy ampiharina ilay hoe Hevitra - Commentaires eo ambany havanana
  7. Raha tsy tianao ny hahazo hafatra imailaka isaky ny misy mametraka hevitra amin'io lahatsoratra io dia esory ilay hoe Handefaso hafatra raha misy mametraka hevitra - Notification de nouveaux commentaires

Dika sy petaka (copier-coller)

Raha toa ka manoratra lavalava ianao dia tsaratsara kokoa ny mampiasa fitaovana hafa (Winword ohatra) dia avy eo manao dika sy petaka (copier-coller) eto amin'ny blaogy fotsiny. Voatahiry ny endri-tsoratra raha toa ka izay no ataonao.

Raha lava loatra mantsy no tsy manetsika na inona na inona ianao (raha mihoatra ny 30 min) dia mety ho tapaka ny fifandraisana ka voatery hampiditra solonanarana sy tenimiafina indray ianao. Lany ny session no iantsoana azy. 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)