Ny Atao Hoe Blaogy

admin 07 Martsa, 2006 11:58 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Inona tokoa moa no atao hoe blaogy... ary atao inona marina ny blaogy? Samy manana ny antony hanaovany blaogy ny tsirairay fa angamba hevitra vitsivitsy ihany ireto hitako ireto.
  1. Diary isanandro
    Ny olona sasany dia manao ny blaogy ho toa ny diary isanandro. Hitantarany ny fiainany, ny zava-nitranga tamin'ny andro iray... ny asany, ny olona nifanena taminy. Tahaka ny Journal saingy ity kosa dia ho hitan'ny olona rehetra ka hafa ny fomba fametrahany sy fitantarany azy. Izany rahateo no mahatonga ny blaogy misy kalandrie. Rehefa ela dia mahafinaritra ny mamaky izay nosoratanao folo taona lasa.
  2. Eritreritra mandalo
    Eo indray ireo mametraka eritreritra mandalo momba ny lohahevitra iray. Tsy vaotery ho isanandro fa isaky ny misy zavatra manaitra azy. Indraindray imbetsaka mihitsy ao anatin'ny andro iray.
  3. Tantara antsary
    Ny sasany indray dia manao ny blaoginy ho karazana tantara antsary. Mety hoe fitantarana ny diany tamina toerana iray. Fitantarana fialantsasatra miaraka amin'ny sary. Tantaran'ny sombim-piainany ara-tsary. Na ny sariny isanandro ih any koa.
Mbola hotohizana

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)