Warning: Declaration of CachedTemplate::fetch($cacheId) should be compatible with Template::fetch($resource_name = NULL, $cache_id = NULL, $compile_id = NULL, $display = false) in /home/blaogycom/public_html/class/template/cachedtemplate.class.php on line 41

Warning: Declaration of CachedTemplate::display($cacheId) should be compatible with Template::display($resource_name, $cache_id = NULL, $compile_id = NULL) in /home/blaogycom/public_html/class/template/cachedtemplate.class.php on line 75
Blaogy ho anao | Fanoroana |

Misy Fanontaniana Hafa?

admin 01 Janoary, 2006 04:17 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Raha misy fanontaniana hafa dia apetraho eto amin'ny hevitra eto ambany fa hohampidirina tsikelikely ihany.

Avy Amin'ny W.Bloggar

admin 07 Martsa, 2006 04:35 Vaovao, Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Afaka mampiasa fitaovana hafa toy ny w.bloggar ihany koa rehefa hampiditra lahatsoratra eto amin'ny blaogy.com Hohazavaiko miandalana ny fomba fanaovana izany.

Ny Atao Hoe Blaogy

admin 07 Martsa, 2006 11:58 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Inona tokoa moa no atao hoe blaogy... ary atao inona marina ny blaogy? Samy manana ny antony hanaovany blaogy ny tsirairay fa angamba hevitra vitsivitsy ihany ireto hitako ireto.
  1. Diary isanandro
    Ny olona sasany dia manao ny blaogy ho toa ny diary isanandro. Hitantarany ny fiainany, ny zava-nitranga tamin'ny andro iray... ny asany, ny olona nifanena taminy. Tahaka ny Journal saingy ity kosa dia ho hitan'ny olona rehetra ka hafa ny fomba fametrahany sy fitantarany azy. Izany rahateo no mahatonga ny blaogy misy kalandrie. Rehefa ela dia mahafinaritra ny mamaky izay nosoratanao folo taona lasa.
  2. Eritreritra mandalo
    Eo indray ireo mametraka eritreritra mandalo momba ny lohahevitra iray. Tsy vaotery ho isanandro fa isaky ny misy zavatra manaitra azy. Indraindray imbetsaka mihitsy ao anatin'ny andro iray.
  3. Tantara antsary
    Ny sasany indray dia manao ny blaoginy ho karazana tantara antsary. Mety hoe fitantarana ny diany tamina toerana iray. Fitantarana fialantsasatra miaraka amin'ny sary. Tantaran'ny sombim-piainany ara-tsary. Na ny sariny isanandro ih any koa.
Mbola hotohizana

Afaka Mampiditra Sary Avy Amin'ny Flickr

admin 12 Martsa, 2006 13:06 Ankapobeny, Vaovao, Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

IMGP5079
Originally uploaded by heriniaina.
Azonao atao, sady mora dia mora, ny mampiditra sary avy amin'ny Flickr (jereo flickr.com). Mila manokatra kaonty flickr.com (na raha manana yahoo dia vao mainka tsara). Mora dia mora ny mampiditra sary ao amin'ny Flickr (mila mahay teny anglisy kely fotsiny satria toa mbola tsy misy amin'ny teny Frantsay).
  • Rehefa tafiditra ao amin'ny flickr dia mandeha ao amin'ilay hoe Blog pages (na rohy mivantana http://flickr.com/blogs.gne ). Dia mampiditra blaogy vaovao (Set up your blog).
  • Fidio ao amin'ny karazany ao ny hoe MetaWeblogAPI satria io no ampiasain'ny blaogy.com
  • Ampidirina ny adiresy http://blaogy.com/xmlrpc.php miaraka amin'ny solonanarana sy tenimiafina.

Eo amin'ny sarinao amin'izay misy soratra hoe Blog this dia tsindriana iny dia afaka alefa amin'izay ny sary.
Ity sary ity izao dia avy ao amin'ny flickr.com
Andramo fa mora

Fanampiny

Nampiditra fanazavana arahintsary i fraz ao amin'ny blaoginy ka azonao jerena ny rohy eto ambany

http://fraz.blaogy.com/post/10/743 

 (tohiny)

Fanafenana Ny Lahatsoratra

admin 13 Martsa, 2006 06:33 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Raha toa ka manoratra ianao kanefa tsy tianao ho hitan'ny olona rehetra, fa olona vitsivitsy fotsiny, dia azonao atao ny mampiasa ny Fanafenana ny lahatsoratra

Ahoana no atao hanafenana ny lahatsoratra?

 (tohiny)

Sary Any Amin'ny Serasera Haseho Eto Amin'ny Blaogy

admin 14 Martsa, 2006 16:29 Vaovao, Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Manomboka izao dia misy rohy hoe [Alefaso @ blaogy] eo ambanin'ny sarinao ao amin'ny takelaky ny namana.serasera.org. Raha tsindrinao io rohy io dia misy fomba handefasanao ny sarinao ao amin'ny namana ho hita eto amin'ny blaoginao.

Raha misy fanontaniana na sosokevitra dia azonao apetraka eto. 


Fandefasana Hafatra Avy Amin'ny Imailaka

admin 18 Martsa, 2006 10:50 Vaovao, Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Manomboka izao dia azonao atao ihany koa ny mandefa imailaka ny hafatra
tianao hiseho ao amin'ny blaogy.com. Blaog'imailaka no iantsoantsika
azy.
Rehefa mandefa imailaka ho an'ny solonanarana.fanalahidy@blaogy.com
ianao dia hitranga ao amin'ny blaoginao ny lahatsoratra nalefa. Tandremo,
tsy ny tenimiafina fampiasanao isanandro no antsoina hoe fanalahidy eto.
Inona avy ny zavatra atao? (tohiny)

Ahoana Ny Fanovana Endriky Ny Blaogy?

admin 26 Martsa, 2006 15:45 Endrika, Vaovao, Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Miezaka hatrany izahay mampiditra endrika vaovao ho an'ny blaogy.com. Azonao jerena amin'ity adiresy ity (http://admin.blaogy.com/category/1/83) ny filazana momba ny endrika vaovao. 

Toa izao ary ny fanovana ny endriky ny blaoginao.

1. Fomba tsotra dia tsotra

Mandehana ao amin'ny Toerana fandrindrana (http://blaogy.com) dia ampidiro ny solonanarana sy tenimiafina. Rehefa avy eo dia tsindrio ny anaran'ny blaoginao eo akaikin'ilay hoe Fidirana>>. Dia ery ambony misy hoe Réglages (Fanamboarana) dia tsindrio io. Rehefa tafiditra ao ianao dia tsindrio ilay hoe Paramètres du blog (Fanovana ny blaogy) dia ho hitanao fa be dia be ny zavatra azonao ovaina momba ny blaoginao. Anisan'izany ny endrika. Jereo ery ambanimbany misy hoe Endrika. Misafidiana endrika eo dia tsindrio ny bokotra [Tehirizo]. Azonao jerena amin'izay rehefa avy eo fa niova ny endriky ny blaoginao.

2. Amin'ny alalan'ny CSS

Napetraka ato amin'ny blaogy.com amin'izao fotoana izao ilay plugin
hoe Fanovana CSS (CSS Overwrite plugin). Ny ataon'io plugin io dia
manova ny endriky ny blaogy arakaraka izay hanaovanao azy. Mila mahay
ny antsoina hoe CSS vao afaka manova azy.

Mandehana ao amin'ny Réglages -> Templates -> Fanovana CSS dia
apetraho ao ny fanovana tianao hatao.

Ohatra fotsiny

Raha tianao hatao lehibe kokoa ny soratra dia ataovy hoe


body {
font-size: 13px;
}

 (tohiny)

Atao Ahoana Ny Fampidirana Lahatsoratra?

admin 29 Martsa, 2006 15:58 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tsotra dia tsotra ny fampidirana lahatsoratra ao amin'ny blaogy.com.

Rehefa avy manokatra ny blaoginao ianao dia afaka mampiditra lahatsoratra amin'izay.

Ampidiro eo amin'ny fidirana aloha ny solonanarana sy tenimiafina serasera.org

Rehefa avy eo dia tafiditra ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ianao.

Toa izao no ao amin'ny toeran'ny mpandrindra

Tsindrio eo amin'ny ilay anaran'ny blaoginao akaikin'ny Fidirana

 

Rehefa avy eo ianao dia tonga dia afaka manoratra amin'izay ka toa izao no firindrany.

  1. Apetraho ny lohateny (Apetraho eo amin'ilay hoe Sujet - Votoatiny)
  2. Soraty eo amin'ilay hoe Texte - Lahatsoratra ny tapany amin'ilay lahatsoratra tianao hiseho ao amin'ny pejy voalohan'ny blaoginao. Azonao apetraka eo daholo ny lahatsoratra rehetra
  3. Raha toa ka misy tapany hafa ilay lahatsoratra (ohatra hoe lahatsoratra lava) ka tsy tianao hitranga manontolo ao amin'ny pejy voalohany dia apetraho eo amin'ilay hoe Texte étendu - Lahatsoratra fanampiny ny tapany faharoa amin'ilay lahatsoratra
  4. Ery ankavanana dia misy ny Daty - Date izay manondro ny daty sy ora andefasana ny lahatsoratra. Azonao ovaina io, indrindra raha tsy mitovy amin'ny daty tianao hiseho. Jereo fa misy kalendrier kely eo akaikiny eo dia azonao ifidianana ny daty.
  5. Eo ambany havanana dia misy hoe Sokajy - Catégories Azonao atao ny mifidy sokajy eo mikasika ny lahatsoratra. Afaka mifidy sokajy iray na maromaro ianao. Raha hifidy sokajy maro dia tsindrio ny Controle amin'ny "clavier" dia tsindrio ny sokajy izay tiana hofidiana
  6. Raha ohatra ka tsy tianao hanisy hevitra ny lahatsoratra dia azonao tsy ampiharina ilay hoe Hevitra - Commentaires eo ambany havanana
  7. Raha tsy tianao ny hahazo hafatra imailaka isaky ny misy mametraka hevitra amin'io lahatsoratra io dia esory ilay hoe Handefaso hafatra raha misy mametraka hevitra - Notification de nouveaux commentaires

 (tohiny)

Ahoana Ny Fanovana Ny Teny?

admin 30 Martsa, 2006 00:47 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ny fanovana ny mombamomba ny blaoginao dia ao amin'ny Réglages - Fanovana no ahitanao azy.

Midira ao amin'ny Toerana fandrindrana dia tsindrio ny anaran'ny blaoginao dia ery ambony ery misy hoe Réglages (Fanovana)

 


Ahoana Ny Fampidirana Sary

admin 30 Martsa, 2006 00:51 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa nisy lahatsoratra sy sarimihetsika mihitsy :-) nataon'i lapino momba ny fampidirana sary ka azonao jerena amin'ny adiresy eto ambany

http://lapino.blaogy.com/post/7/22 


Filaharan'ny Lahatsoratra

admin 05 Aprily, 2006 03:24 Vaovao, Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Manomboka izao dia azonao ovaina ny filaharan'ny lahatsoratra ao amin'ny blaoginao. Azo ovaina hoe ny tranainy no aseho aloha na ny vaovao no aseho aloha.

Natao indrindra izany ho an'ireo mametraka tantara (toa ny tadiompitiavana.blaogy.com) mba ahafahana mamaky voalohany ny zavatra nampidirina voalohany.

Raha tianao hovaina ny firindran'ny lahatsoratra ao amin'ny blaoginao dia midira ao amin'ny Toerana fandrindrana, tsindrio ny Anaran'ny blaoginao. Avy eo dia tsindrio ilay hoe Réglages (Fanovana) dia midira ao amin'ny Paramètres du blog (fanovana ny blaogy) dia ho hitanao ery ambany ery  ny hoe Filaharan'ny lahatsoratra.


Misy Tsikera Tsisy Dikany Ny Blaogiko?

admin 18 Aprily, 2006 06:45 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Raha toa sendra misy mametraka tsikera maro be tsy misy dikany ny blaoginao (Io ilay antsoina ihany koa hoe spam) dia jereo ity rohy ity http://lapino.blaogy.com/post/7/700 fa manazava ny fomba fialàna amin'izany i Lapino ao amin'ny blaoginy.


Ahoana Ny Fampidirana Sary (Tohiny)

admin 03 Jiona, 2006 01:00 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Araka ny nohazavain'i lapino tao amin'ny blaoginy izany dia inoako fa efa haintsika ny fampidirana sary.

 (tohiny)

Ahoana Ny Fampidirana Video (YouTube - Dailymotion Etc.)

admin 11 Janoary, 2007 10:49 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Amin'izao fotoana izao, ankoatra ny sary sy soratra dia efa manomboka misy koa ny sarimihetsika izay azo ampidirina amin'ny blaogy.
 (tohiny)

Mandalo Fanamboarana Ny Blaogy.Com

admin 09 Aprily, 2007 15:40 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mandalo fanamboarana kely ny blaogy.com amin'izao fotoana izao. Tsy ny endrika fotsiny fa ny ao anatiny mihitsy. Mbola tsy vita tanteraka ny fanamboarana na dia efa azo vakiana aza ny lahatsoratra rehetra sy ny sary.

Ezahiko vitaina androany dia holazaina anareo eto ihany ny tohiny. 


Fampidirana Video YouTube Sns.

admin 12 Aprily, 2007 12:54 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa nanao filazana momba ny fampidirana video amin'ny alalan'ny YouTube sy DailyMotion ihany aho tany aloha. Amin'izao fanatsarana izao dia mora kokoa noho io voalazako io ny fomba fampidirana video eto amin'ny blaogy.com (tohiny)

Fampidirana Flash Player Sns

admin 13 Aprily, 2007 11:51 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Azo atao koa amin'izao fotoana izao ny mampiditra fichiers hafa toa ny flash (swf) na video (mila fantatra ny toerana misy ilay video).

Misy sary kely toa izao rehefa hanoratra dia io no tsindriana (Raha tsy mitranga io sary io dia tsindrio aloha ny Ctrl+F5).

Ohatra : Radiovazogasy

 



 


Lahatsoratra Miafina: Mandeha Indray

admin 19 Aprily, 2007 01:22 Vaovao, Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Voatery namboarina sy nohamafisina ny momba ny lahatsoratra miafina teto amin'ny blaogy.com. Amin'izao fotoana izao dia mandeha indray izany.

 (tohiny)

Fampidirana Hira mp3

admin 22 Jiona, 2007 20:23 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Amin'izao fotoana izao dia misy fomba fampidirana hira vaovao eto amin'ny blaogy.com.

Raha hampiditra hira (mp3) dia tsindrio fotsiny ilay sary   dia ampidirina ny adiresy misy an'ilay hira. Ohatra http://andrana.com/hira.mp3

Toa izao no fivoakany

 


Tsy Mbola Manana Blaogy

admin 15 Febroary, 2008 11:31 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tsy manana blaogy io namana nojerenao io.

Raha toa ka te hanokatra blaogy ianao dia mandehana eto dia ampidiro ny solonanarna sy ny tenimiafina.

 Marihina fa tsy maintsy mpikambana amin'ny serasera.org ianao vao afaka manokatra blaogy.

 Raha te hiditra ho mpikambana dia mandehana eto



Warning: A non-numeric value encountered in /home/blaogycom/public_html/class/template/smarty/plugins/function.pager.php on line 152

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)