Misy Fanontaniana Hafa?

admin 01 Janoary, 2006 04:17 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Raha misy fanontaniana hafa dia apetraho eto amin'ny hevitra eto ambany fa hohampidirina tsikelikely ihany.

Avy Amin'ny W.Bloggar

admin 07 Martsa, 2006 04:35 Vaovao, Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Afaka mampiasa fitaovana hafa toy ny w.bloggar ihany koa rehefa hampiditra lahatsoratra eto amin'ny blaogy.com Hohazavaiko miandalana ny fomba fanaovana izany.

Ny Atao Hoe Blaogy

admin 07 Martsa, 2006 11:58 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Inona tokoa moa no atao hoe blaogy... ary atao inona marina ny blaogy? Samy manana ny antony hanaovany blaogy ny tsirairay fa angamba hevitra vitsivitsy ihany ireto hitako ireto.
  1. Diary isanandro
    Ny olona sasany dia manao ny blaogy ho toa ny diary isanandro. Hitantarany ny fiainany, ny zava-nitranga tamin'ny andro iray... ny asany, ny olona nifanena taminy. Tahaka ny Journal saingy ity kosa dia ho hitan'ny olona rehetra ka hafa ny fomba fametrahany sy fitantarany azy. Izany rahateo no mahatonga ny blaogy misy kalandrie. Rehefa ela dia mahafinaritra ny mamaky izay nosoratanao folo taona lasa.
  2. Eritreritra mandalo
    Eo indray ireo mametraka eritreritra mandalo momba ny lohahevitra iray. Tsy vaotery ho isanandro fa isaky ny misy zavatra manaitra azy. Indraindray imbetsaka mihitsy ao anatin'ny andro iray.
  3. Tantara antsary
    Ny sasany indray dia manao ny blaoginy ho karazana tantara antsary. Mety hoe fitantarana ny diany tamina toerana iray. Fitantarana fialantsasatra miaraka amin'ny sary. Tantaran'ny sombim-piainany ara-tsary. Na ny sariny isanandro ih any koa.
Mbola hotohizana

Afaka Mampiditra Sary Avy Amin'ny Flickr

admin 12 Martsa, 2006 13:06 Ankapobeny, Vaovao, Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

IMGP5079
Originally uploaded by heriniaina.
Azonao atao, sady mora dia mora, ny mampiditra sary avy amin'ny Flickr (jereo flickr.com). Mila manokatra kaonty flickr.com (na raha manana yahoo dia vao mainka tsara). Mora dia mora ny mampiditra sary ao amin'ny Flickr (mila mahay teny anglisy kely fotsiny satria toa mbola tsy misy amin'ny teny Frantsay).
  • Rehefa tafiditra ao amin'ny flickr dia mandeha ao amin'ilay hoe Blog pages (na rohy mivantana http://flickr.com/blogs.gne ). Dia mampiditra blaogy vaovao (Set up your blog).
  • Fidio ao amin'ny karazany ao ny hoe MetaWeblogAPI satria io no ampiasain'ny blaogy.com
  • Ampidirina ny adiresy http://blaogy.com/xmlrpc.php miaraka amin'ny solonanarana sy tenimiafina.

Eo amin'ny sarinao amin'izay misy soratra hoe Blog this dia tsindriana iny dia afaka alefa amin'izay ny sary.
Ity sary ity izao dia avy ao amin'ny flickr.com
Andramo fa mora

Fanampiny

Nampiditra fanazavana arahintsary i fraz ao amin'ny blaoginy ka azonao jerena ny rohy eto ambany

http://fraz.blaogy.com/post/10/743 

 (tohiny)

Fanafenana Ny Lahatsoratra

admin 13 Martsa, 2006 06:33 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Raha toa ka manoratra ianao kanefa tsy tianao ho hitan'ny olona rehetra, fa olona vitsivitsy fotsiny, dia azonao atao ny mampiasa ny Fanafenana ny lahatsoratra

Ahoana no atao hanafenana ny lahatsoratra?

 (tohiny)
1 2 3 4 5  Manaraka»

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)