Fanafenana Ny Lahatsoratra

admin 13 Martsa, 2006 06:33 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Raha toa ka manoratra ianao kanefa tsy tianao ho hitan'ny olona rehetra, fa olona vitsivitsy fotsiny, dia azonao atao ny mampiasa ny Fanafenana ny lahatsoratra

Ahoana no atao hanafenana ny lahatsoratra?

Voalohany indrindra aloha dia tsy maintsy ampiharina ilay Fanafenana ny lahatsoratra.

  • Mandehana eo amin'ny Réglages
  • Dia jereo ery ambany ery misy hoe Fiarovana ny blaogy dia tsindrio ilay hoe Blaogy miafina
  • Ao anatin'io dia ampiharo ilay hoe Hampiasa ny fanafenana lahatsoratra
  • Tsindrio ilay bokotra hoe Tehirizo

Rehefa vita izay dia mandehana ao amin'ny fampidirana lahatsoratra mahazatra. Ho hitanao fa misy fiovana eo amin'ny fampidirana lahatsoratra. Misy hoe Tenimiafina dia ery ankavanana ambany indrindra misy hoe Afeno ity lahatsoratra ity. Mazava ho azy, apetrakao eo amin'ilay Tenimiafina ny tenimiafina tianao hampidirin'ny namana rehefa mijery ny lahatsoratra izy, ary ampiharo ilay hoe Afeno ity lahatsoratra ity ery ambany havanana. Tandremo: tsy miafina ny lahatsoratra raha tsy mihatra io hoe Afeno ity lahatsoratra ity io.

Fanamarihana: Ny mipetraka eo amin'ilay hoe Texte étendu  ihany no miafina fa ilay eo amin'ny fampidirana kosa dia hitan'ny olona ihany.

Raha misy fanontaniana dia apetrako eto amin'ny hevitra eto ambany. 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)