Fandefasana Hafatra Avy Amin'ny Imailaka

admin 18 Martsa, 2006 10:50 Vaovao, Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Manomboka izao dia azonao atao ihany koa ny mandefa imailaka ny hafatra
tianao hiseho ao amin'ny blaogy.com. Blaog'imailaka no iantsoantsika
azy.
Rehefa mandefa imailaka ho an'ny [email protected]
ianao dia hitranga ao amin'ny blaoginao ny lahatsoratra nalefa. Tandremo,
tsy ny tenimiafina fampiasanao isanandro no antsoina hoe fanalahidy eto.
Inona avy ny zavatra atao?

- Voalohany aloha dia midira ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra
- Dia mandehana ao amin'ilay hoe [Réglages] dia eo amin'ilay hoe Paramètres misy hoe Blaog'imailaka dia ao no fanovana sy fampiasana ny Blaog'imailaka
- Ampiharo aloha ilay safidy hoe Hampiasa blaog'imailaka
- Avy eo dia fenoy ilay adiresy email. Io adiresy imailaka io no hampiasainao handefasana hafatra eo amin'ny blaogy. Ny solonanarana dia efa eo fa ilay tapany faharoa sisa. Io ilay fanalahidy ilaina. Apetraho eo izay teny tianao.
- Fidio avy eo ny sokajy tianao hametrahana ny hafatra rehetra voarain'ny Blaog'imailaka.
- Fidio ihany koa ny tahirintsary sy ny haben'ny sary.
- Azonao atao amin'izay ny mandefa hafatra ho an'ilay adiresy vao namboarinao teo, ilay hoe  [email protected]

Fanamarihana
- Miandry 10 minitra ianao dia hahazo valiny avy amin'ny [email protected]. Raha toa ka tsy mahazo valiny ao anaty 10min ianao dia misy tsy mety izay ny milina ka tsy tafiditra ny hafatra.
- Ny tovana (fichiers attachés) rehetra dia miseho miaraka amin'ny hafatra ihany koa.

- Raha misy ampahan-dahatsoratra tianao hitranga eo amin'ilay hoe tohiny (texte étendu) dia ataovy aorian'ny [@more@]


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)