Manomboka Mandeha Ny Blaogy.Com

admin 10 Aprily, 2007 16:05 Vaovao Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa mandeha tsikelikely ny blaogy.com amin'izao fotoana izao taorian'ny fanavaozana izay natao omaly. Efa afaka miditra sy manoratra. Ny Endriky ny blaogy sasany no niova mandrapaha-vitan'ny fanavaozana tanteraka.

Ezahiko hapetraka tsikelikely eto amin'ity lahatsoratra ity ireo zavatra niova na vaovao sy ny fomba fampiasana azy.

  • Tsy mizara roa intsony ny toerana fampidirana lahatsoratra
    • Toerana iray ihany sisa no ampidirana lahatsoratra. Raha tiana hotapahina kosa anefa ny lahatsoratra dia azo tsindriana ilay hoe "Rohy "Tohiny..."" eo ambanin'ny fanoratana. Dia mitapaka eo amin'izay ahitana an'ilay tsipika ny lahatsoratra.
  • Fahafahana mampiasa video avy amin'ny youtube na google etc.
    • Misy bokotra vaovao YouTube eo amin'ny fanoratana. Azo ampiasaina iny raha te hampiditra Video avy amin'ireo toerana izay manome izany.
  • Sokajy ankapobeny
    • Misy sokajy ankapobeny koa rehefa mampiditra lahatsoratra. Io sokajy ankapobeny io dia iraisan'ny blaogy rehetra eto amin'ny blaogy.com. Ho mora kokoa amin'izay ny manasokajy ny lahatsoratra tsirairay.
  •  Mbola hitohy

 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)