Adiresy Moramora Kokoa

admin 28 Martsa, 2006 00:34 Vaovao Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mba hahamoramora kokoa ny fidirana sy fijerena ny lahatsoratra dia natao moramora kokoa ny adiresy. Manomboka izao dia sahala amin'izao dia efa tonga ao amin'ny lahatsoratra iray http://admin.blaogy.com/post/1/364 marihana fa mbola mandeha foana ny rohy hafa teo aloha (Raha tsy hoe nanova anarana blaogy ianao)

Mizàra ihany koa manokatra ny blaoginao amin'ny rohy http://solonanarana.blaogy.com fa manampy be dia be ny fitaovampikarohana toa ny Google sy ny Yahoo izany.


Atao Ahoana Ny Fampidirana Lahatsoratra?

admin 29 Martsa, 2006 15:58 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tsotra dia tsotra ny fampidirana lahatsoratra ao amin'ny blaogy.com.

Rehefa avy manokatra ny blaoginao ianao dia afaka mampiditra lahatsoratra amin'izay.

Ampidiro eo amin'ny fidirana aloha ny solonanarana sy tenimiafina serasera.org

Rehefa avy eo dia tafiditra ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ianao.

Toa izao no ao amin'ny toeran'ny mpandrindra

Tsindrio eo amin'ny ilay anaran'ny blaoginao akaikin'ny Fidirana

 

Rehefa avy eo ianao dia tonga dia afaka manoratra amin'izay ka toa izao no firindrany.

  1. Apetraho ny lohateny (Apetraho eo amin'ilay hoe Sujet - Votoatiny)
  2. Soraty eo amin'ilay hoe Texte - Lahatsoratra ny tapany amin'ilay lahatsoratra tianao hiseho ao amin'ny pejy voalohan'ny blaoginao. Azonao apetraka eo daholo ny lahatsoratra rehetra
  3. Raha toa ka misy tapany hafa ilay lahatsoratra (ohatra hoe lahatsoratra lava) ka tsy tianao hitranga manontolo ao amin'ny pejy voalohany dia apetraho eo amin'ilay hoe Texte étendu - Lahatsoratra fanampiny ny tapany faharoa amin'ilay lahatsoratra
  4. Ery ankavanana dia misy ny Daty - Date izay manondro ny daty sy ora andefasana ny lahatsoratra. Azonao ovaina io, indrindra raha tsy mitovy amin'ny daty tianao hiseho. Jereo fa misy kalendrier kely eo akaikiny eo dia azonao ifidianana ny daty.
  5. Eo ambany havanana dia misy hoe Sokajy - Catégories Azonao atao ny mifidy sokajy eo mikasika ny lahatsoratra. Afaka mifidy sokajy iray na maromaro ianao. Raha hifidy sokajy maro dia tsindrio ny Controle amin'ny "clavier" dia tsindrio ny sokajy izay tiana hofidiana
  6. Raha ohatra ka tsy tianao hanisy hevitra ny lahatsoratra dia azonao tsy ampiharina ilay hoe Hevitra - Commentaires eo ambany havanana
  7. Raha tsy tianao ny hahazo hafatra imailaka isaky ny misy mametraka hevitra amin'io lahatsoratra io dia esory ilay hoe Handefaso hafatra raha misy mametraka hevitra - Notification de nouveaux commentaires

 (tohiny)

Ahoana Ny Fanovana Ny Teny?

admin 30 Martsa, 2006 00:47 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Ny fanovana ny mombamomba ny blaoginao dia ao amin'ny Réglages - Fanovana no ahitanao azy.

Midira ao amin'ny Toerana fandrindrana dia tsindrio ny anaran'ny blaoginao dia ery ambony ery misy hoe Réglages (Fanovana)

 


Ahoana Ny Fampidirana Sary

admin 30 Martsa, 2006 00:51 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Efa nisy lahatsoratra sy sarimihetsika mihitsy :-) nataon'i lapino momba ny fampidirana sary ka azonao jerena amin'ny adiresy eto ambany

http://lapino.blaogy.com/post/7/22 


Blaogy Amin'ny Teny Espagnol

admin 31 Martsa, 2006 02:48 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Gaga aho androany fa toa mifidy teny espanola daholo izay nanokatra blaogy teto amin'ny blaogy.com. Dia gaga aho hoe betsaka kosa izany gasy mahaty teny espanola izany. Nisalasala ihany anefa aho dia nanao andrana fanokana blaogy. Dia izay vao hitako hoe inona ny antony.

Rehefa tonga ao amin'ilay hoe Hanokatra blaogy dia rehefa manome anarana ny blaogy sy mifidy teny dia ny teny espanola no voalohany mitranga ao. Koa raha tsy mifidy teny hafa ianao toa ny Teny malagasy na hafa... dia lasa teny espanola ny blaoginao... dia izay vao hitako hoe na tsy namaky tsara ireo olona ireo, na tsy nazava taminy izay novakiany fa mbola notsindriany ihany ilay bokotra hoe Manaraka na dia nanandrakandrana fotsiny tamin'izao fa izay lalany any lalany.

Tsy olana izany, azy ny blaogy... dia azony atao na dia @ teny arabo aza... fa inoako fa hainy koa ny mamerina ny teny ho teny gasy raha sendra tsy fanahiniana.

Jereo ihany ilay hoe Fanorotoroana http://admin.blaogy.com/category/1/92 

Efa nahitsy ho ny teny malagasy izany no voalohany ao.


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8  Manaraka»

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)