Ny Atao Hoe Blaogy

admin 07 Martsa, 2006 11:58 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Inona tokoa moa no atao hoe blaogy... ary atao inona marina ny blaogy? Samy manana ny antony hanaovany blaogy ny tsirairay fa angamba hevitra vitsivitsy ihany ireto hitako ireto.
  1. Diary isanandro
    Ny olona sasany dia manao ny blaogy ho toa ny diary isanandro. Hitantarany ny fiainany, ny zava-nitranga tamin'ny andro iray... ny asany, ny olona nifanena taminy. Tahaka ny Journal saingy ity kosa dia ho hitan'ny olona rehetra ka hafa ny fomba fametrahany sy fitantarany azy. Izany rahateo no mahatonga ny blaogy misy kalandrie. Rehefa ela dia mahafinaritra ny mamaky izay nosoratanao folo taona lasa.
  2. Eritreritra mandalo
    Eo indray ireo mametraka eritreritra mandalo momba ny lohahevitra iray. Tsy vaotery ho isanandro fa isaky ny misy zavatra manaitra azy. Indraindray imbetsaka mihitsy ao anatin'ny andro iray.
  3. Tantara antsary
    Ny sasany indray dia manao ny blaoginy ho karazana tantara antsary. Mety hoe fitantarana ny diany tamina toerana iray. Fitantarana fialantsasatra miaraka amin'ny sary. Tantaran'ny sombim-piainany ara-tsary. Na ny sariny isanandro ih any koa.
Mbola hotohizana

Endrika (Themes) Telo Vaovao

admin 10 Martsa, 2006 18:34 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nampiditra endrika telo vaovao indray ny ato amin'ny blaogy.com

- forange

- fallingleaves

- minima plus

Azonao ovaina hatrany ny endriky ny blaoginao.

Ny fanovana ny endriky ny blaogy dia toa izao.

  1. Ampidiro ny solonanarana sy tenimiafina
  2. Mandehana eo amin'ilay hoe Réglages (etsy ambony)
  3. Tsindrio ilay hoe Paramètres du Blog
  4. Jereo ery ambanimbany ery ilay hoe Endrika dia safidio ao izay hitanao fa tsara ho anao.
Mazotoa daholo indray e.

Solonanarana.Blaogy.Com

admin 10 Martsa, 2006 19:26 Vaovao Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Tonga ny nandrasana. Manomboka amin'izao dia azonao jerena amin'ny adiresy solonanarana.blaogy.com ny blaoginao.

Mora kokoa ny mampiely azy amin'izay


Afaka Mampiditra Sary Avy Amin'ny Flickr

admin 12 Martsa, 2006 13:06 Ankapobeny, Vaovao, Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

IMGP5079
Originally uploaded by heriniaina.
Azonao atao, sady mora dia mora, ny mampiditra sary avy amin'ny Flickr (jereo flickr.com). Mila manokatra kaonty flickr.com (na raha manana yahoo dia vao mainka tsara). Mora dia mora ny mampiditra sary ao amin'ny Flickr (mila mahay teny anglisy kely fotsiny satria toa mbola tsy misy amin'ny teny Frantsay).
  • Rehefa tafiditra ao amin'ny flickr dia mandeha ao amin'ilay hoe Blog pages (na rohy mivantana http://flickr.com/blogs.gne ). Dia mampiditra blaogy vaovao (Set up your blog).
  • Fidio ao amin'ny karazany ao ny hoe MetaWeblogAPI satria io no ampiasain'ny blaogy.com
  • Ampidirina ny adiresy http://blaogy.com/xmlrpc.php miaraka amin'ny solonanarana sy tenimiafina.

Eo amin'ny sarinao amin'izay misy soratra hoe Blog this dia tsindriana iny dia afaka alefa amin'izay ny sary.
Ity sary ity izao dia avy ao amin'ny flickr.com
Andramo fa mora

Fanampiny

Nampiditra fanazavana arahintsary i fraz ao amin'ny blaoginy ka azonao jerena ny rohy eto ambany

http://fraz.blaogy.com/post/10/743 

 (tohiny)

Raha Misy Fanontaniana Na Fangatahana

admin 13 Martsa, 2006 05:08 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Raha misy fanontaniana na fangatahana izay tianao hapetraka momba ny blaogy.com dia azonao apetraka eto amin'ny hevitra eto ambany fa hovaliako tsikelikely eo. Misaotra daholo.
«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8  Manaraka»

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)