Endrika Efatra Vaovao

admin 01 Aprily, 2006 15:26 Endrika, Vaovao Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Endrika iray ihany fa afaka manana loko efatra... noho izany endrika efatra. Nampidirina ho azo ampiasaina ato amin'ny blaogy.com ny endrika Minima karazany efatra dia ny Minima, Minima black, Minima blue ary Minima ochre. Ho an'izay efa nampiasa ny blogger.com dia mahalala tsara azy ireo. Tsotra sy maivana kanefa mendrika.

Ireto ny sary famintinana. Tsindrio ny sary raha tiana hohalehibiazina. 

 (tohiny)

Filaharan'ny Lahatsoratra

admin 05 Aprily, 2006 03:24 Vaovao, Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Manomboka izao dia azonao ovaina ny filaharan'ny lahatsoratra ao amin'ny blaoginao. Azo ovaina hoe ny tranainy no aseho aloha na ny vaovao no aseho aloha.

Natao indrindra izany ho an'ireo mametraka tantara (toa ny tadiompitiavana.blaogy.com) mba ahafahana mamaky voalohany ny zavatra nampidirina voalohany.

Raha tianao hovaina ny firindran'ny lahatsoratra ao amin'ny blaoginao dia midira ao amin'ny Toerana fandrindrana, tsindrio ny Anaran'ny blaoginao. Avy eo dia tsindrio ilay hoe Réglages (Fanovana) dia midira ao amin'ny Paramètres du blog (fanovana ny blaogy) dia ho hitanao ery ambany ery  ny hoe Filaharan'ny lahatsoratra.


Misy Tsikera Tsisy Dikany Ny Blaogiko?

admin 18 Aprily, 2006 06:45 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Raha toa sendra misy mametraka tsikera maro be tsy misy dikany ny blaoginao (Io ilay antsoina ihany koa hoe spam) dia jereo ity rohy ity http://lapino.blaogy.com/post/7/700 fa manazava ny fomba fialàna amin'izany i Lapino ao amin'ny blaoginy.


Ahoana Ny Fampidirana Sary (Tohiny)

admin 03 Jiona, 2006 01:00 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Araka ny nohazavain'i lapino tao amin'ny blaoginy izany dia inoako fa efa haintsika ny fampidirana sary.

 (tohiny)

Fahatapahana Naharitra

admin 17 Aogositra, 2006 20:11 Vaovao Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nandalo fahatapahana nandritra ny ora vitsivitsy ny blaogy.com noho ny famindrana azy ho amin'ny serveur iray matanjaka kokoa. Amin'izao fotoana izao dia efa miverina amin'ny laoniny izany. Ialana tsiny amintsika rehetra ary isaorana be dia be tamin'ny faharetana.

Raha sendra misy olana dia mametraha hevitra eto ambany.

Hery 


«Mialoha   1 2 3 4 5 6 7 8  Manaraka»

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)