Endrika Vaovao: Violety :-)

admin 15 Martsa, 2006 18:10 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Misy Endrika (Templates) vaovao nampidirina indray. Violety no nataoko anarany. Io no endrika voalohany namboariko ho an'ny eto amin'ny blaogy.com. Raha mahaliana anareo dia azonareo ampiasaina. Jereo ato ambany ny sariny.

 (tohiny)

Blaogy Amin'ny Teny Espagnol

admin 31 Martsa, 2006 02:48 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Gaga aho androany fa toa mifidy teny espanola daholo izay nanokatra blaogy teto amin'ny blaogy.com. Dia gaga aho hoe betsaka kosa izany gasy mahaty teny espanola izany. Nisalasala ihany anefa aho dia nanao andrana fanokana blaogy. Dia izay vao hitako hoe inona ny antony.

Rehefa tonga ao amin'ilay hoe Hanokatra blaogy dia rehefa manome anarana ny blaogy sy mifidy teny dia ny teny espanola no voalohany mitranga ao. Koa raha tsy mifidy teny hafa ianao toa ny Teny malagasy na hafa... dia lasa teny espanola ny blaoginao... dia izay vao hitako hoe na tsy namaky tsara ireo olona ireo, na tsy nazava taminy izay novakiany fa mbola notsindriany ihany ilay bokotra hoe Manaraka na dia nanandrakandrana fotsiny tamin'izao fa izay lalany any lalany.

Tsy olana izany, azy ny blaogy... dia azony atao na dia @ teny arabo aza... fa inoako fa hainy koa ny mamerina ny teny ho teny gasy raha sendra tsy fanahiniana.

Jereo ihany ilay hoe Fanorotoroana http://admin.blaogy.com/category/1/92 

Efa nahitsy ho ny teny malagasy izany no voalohany ao.


Hijanona Sa Hanohy?

admin 30 Martsa, 2024 10:45 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Hitako sarotra be ny manohy ny blaogy.com amin'izao endriny mampiasa Lifetype izao. Efa efa najanon'ny tompony sy ny communauté mantsy ny développement-n'ny Lifetype ary tsy nisy nandray. Tsy vita samy irery anefa ny handray an-tanana azy. Anakiroa izany ny safidy: na hajanona tanteraka ny blaogy.com na tohizana fa mampiasa plateforme hafa na mamorona mihitsy. 

Ilay hamorona plateforme mihitsy no ihoriranan'ny saiko amin'izao. Mieritreritra ny hanohy ny blaogy.com amin'ny alalan'ny CodeIgniter izay feheziko tsara. Azo atao koa anefa ny miditra amin'ny Plateforme hafa tahaka ny Symfony ohatra... Dia mbola eo am-pieritreretana tanteraka amin'izao.


«Mialoha   1 2

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)