Afaka Mampiditra Sary Avy Amin'ny Flickr

admin 12 Martsa, 2006 13:06 Ankapobeny, Vaovao, Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

IMGP5079
Originally uploaded by heriniaina.
Azonao atao, sady mora dia mora, ny mampiditra sary avy amin'ny Flickr (jereo flickr.com). Mila manokatra kaonty flickr.com (na raha manana yahoo dia vao mainka tsara). Mora dia mora ny mampiditra sary ao amin'ny Flickr (mila mahay teny anglisy kely fotsiny satria toa mbola tsy misy amin'ny teny Frantsay).
  • Rehefa tafiditra ao amin'ny flickr dia mandeha ao amin'ilay hoe Blog pages (na rohy mivantana http://flickr.com/blogs.gne ). Dia mampiditra blaogy vaovao (Set up your blog).
  • Fidio ao amin'ny karazany ao ny hoe MetaWeblogAPI satria io no ampiasain'ny blaogy.com
  • Ampidirina ny adiresy http://blaogy.com/xmlrpc.php miaraka amin'ny solonanarana sy tenimiafina.

Eo amin'ny sarinao amin'izay misy soratra hoe Blog this dia tsindriana iny dia afaka alefa amin'izay ny sary.
Ity sary ity izao dia avy ao amin'ny flickr.com
Andramo fa mora

Fanampiny

Nampiditra fanazavana arahintsary i fraz ao amin'ny blaoginy ka azonao jerena ny rohy eto ambany

http://fraz.blaogy.com/post/10/743 

Rehefa manindry ny sary iray ianao dia hahita toa ity ambany ity... dia tsiindrio ilay hoe Blog this

 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)