Ahoana Ny Fampidirana Sary
Efa nisy lahatsoratra sy sarimihetsika mihitsy :-) nataon'i lapino momba ny fampidirana sary ka azonao jerena amin'ny adiresy eto ambany
http://lapino.blaogy.com/post/7/22
Efa nisy lahatsoratra sy sarimihetsika mihitsy :-) nataon'i lapino momba ny fampidirana sary ka azonao jerena amin'ny adiresy eto ambany
http://lapino.blaogy.com/post/7/22
Ny fanovana ny mombamomba ny blaoginao dia ao amin'ny Réglages - Fanovana no ahitanao azy.
Midira ao amin'ny Toerana fandrindrana dia tsindrio ny anaran'ny blaoginao dia ery ambony ery misy hoe Réglages (Fanovana)
Tsotra dia tsotra ny fampidirana lahatsoratra ao amin'ny blaogy.com.
Rehefa avy manokatra ny blaoginao ianao dia afaka mampiditra lahatsoratra amin'izay.
Ampidiro eo amin'ny fidirana aloha ny solonanarana sy tenimiafina serasera.org

Rehefa avy eo dia tafiditra ao amin'ny Toeran'ny mpandrindra ianao.
Toa izao no ao amin'ny toeran'ny mpandrindra
Tsindrio eo amin'ny ilay anaran'ny blaoginao akaikin'ny Fidirana
Rehefa avy eo ianao dia tonga dia afaka manoratra amin'izay ka toa izao no firindrany.

Miezaka hatrany izahay mampiditra endrika vaovao ho an'ny blaogy.com. Azonao jerena amin'ity adiresy ity (http://admin.blaogy.com/category/1/83) ny filazana momba ny endrika vaovao.
Toa izao ary ny fanovana ny endriky ny blaoginao.
1. Fomba tsotra dia tsotra
Mandehana ao amin'ny Toerana fandrindrana (http://blaogy.com) dia ampidiro ny solonanarana sy tenimiafina. Rehefa avy eo dia tsindrio ny anaran'ny blaoginao eo akaikin'ilay hoe Fidirana>>. Dia ery ambony misy hoe Réglages (Fanamboarana) dia tsindrio io. Rehefa tafiditra ao ianao dia tsindrio ilay hoe Paramètres du blog (Fanovana ny blaogy) dia ho hitanao fa be dia be ny zavatra azonao ovaina momba ny blaoginao. Anisan'izany ny endrika. Jereo ery ambanimbany misy hoe Endrika. Misafidiana endrika eo dia tsindrio ny bokotra [Tehirizo]. Azonao jerena amin'izay rehefa avy eo fa niova ny endriky ny blaoginao.
2. Amin'ny alalan'ny CSS
Napetraka ato amin'ny blaogy.com amin'izao fotoana izao ilay plugin
hoe Fanovana CSS (CSS Overwrite plugin). Ny ataon'io plugin io dia
manova ny endriky ny blaogy arakaraka izay hanaovanao azy. Mila mahay
ny antsoina hoe CSS vao afaka manova azy.
Mandehana ao amin'ny Réglages -> Templates -> Fanovana CSS dia
apetraho ao ny fanovana tianao hatao.
Ohatra fotsiny
Raha tianao hatao lehibe kokoa ny soratra dia ataovy hoe
body {
font-size: 13px;
}
Powered by LifeType
©
2006 - Design by
Omar Romero
(all rights reserved)