Mandalo Fanamboarana Ny Blaogy.Com

admin 10 Aprily, 2007 00:40 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mandalo fanamboarana kely ny blaogy.com amin'izao fotoana izao. Tsy ny endrika fotsiny fa ny ao anatiny mihitsy. Mbola tsy vita tanteraka ny fanamboarana na dia efa azo vakiana aza ny lahatsoratra rehetra sy ny sary.

Ezahiko vitaina androany dia holazaina anareo eto ihany ny tohiny. 


Ahoana Ny Fampidirana Video (YouTube - Dailymotion Etc.)

admin 11 Janoary, 2007 18:49 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Amin'izao fotoana izao, ankoatra ny sary sy soratra dia efa manomboka misy koa ny sarimihetsika izay azo ampidirina amin'ny blaogy.
 (tohiny)

Ahoana Ny Fampidirana Sary (Tohiny)

admin 03 Jiona, 2006 10:00 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Araka ny nohazavain'i lapino tao amin'ny blaoginy izany dia inoako fa efa haintsika ny fampidirana sary.

 (tohiny)

Misy Tsikera Tsisy Dikany Ny Blaogiko?

admin 18 Aprily, 2006 15:45 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Raha toa sendra misy mametraka tsikera maro be tsy misy dikany ny blaoginao (Io ilay antsoina ihany koa hoe spam) dia jereo ity rohy ity http://lapino.blaogy.com/post/7/700 fa manazava ny fomba fialàna amin'izany i Lapino ao amin'ny blaoginy.


Filaharan'ny Lahatsoratra

admin 05 Aprily, 2006 12:24 Vaovao, Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Manomboka izao dia azonao ovaina ny filaharan'ny lahatsoratra ao amin'ny blaoginao. Azo ovaina hoe ny tranainy no aseho aloha na ny vaovao no aseho aloha.

Natao indrindra izany ho an'ireo mametraka tantara (toa ny tadiompitiavana.blaogy.com) mba ahafahana mamaky voalohany ny zavatra nampidirina voalohany.

Raha tianao hovaina ny firindran'ny lahatsoratra ao amin'ny blaoginao dia midira ao amin'ny Toerana fandrindrana, tsindrio ny Anaran'ny blaoginao. Avy eo dia tsindrio ilay hoe Réglages (Fanovana) dia midira ao amin'ny Paramètres du blog (fanovana ny blaogy) dia ho hitanao ery ambany ery  ny hoe Filaharan'ny lahatsoratra.


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)