Adiresy Moramora Kokoa

admin 28 Martsa, 2006 09:34 Vaovao Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Mba hahamoramora kokoa ny fidirana sy fijerena ny lahatsoratra dia natao moramora kokoa ny adiresy. Manomboka izao dia sahala amin'izao dia efa tonga ao amin'ny lahatsoratra iray http://admin.blaogy.com/post/1/364 marihana fa mbola mandeha foana ny rohy hafa teo aloha (Raha tsy hoe nanova anarana blaogy ianao)

Mizàra ihany koa manokatra ny blaoginao amin'ny rohy http://solonanarana.blaogy.com fa manampy be dia be ny fitaovampikarohana toa ny Google sy ny Yahoo izany.


Ahoana Ny Fanovana Endriky Ny Blaogy?

admin 27 Martsa, 2006 00:45 Endrika, Vaovao, Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Miezaka hatrany izahay mampiditra endrika vaovao ho an'ny blaogy.com. Azonao jerena amin'ity adiresy ity (http://admin.blaogy.com/category/1/83) ny filazana momba ny endrika vaovao. 

Toa izao ary ny fanovana ny endriky ny blaoginao.

1. Fomba tsotra dia tsotra

Mandehana ao amin'ny Toerana fandrindrana (http://blaogy.com) dia ampidiro ny solonanarana sy tenimiafina. Rehefa avy eo dia tsindrio ny anaran'ny blaoginao eo akaikin'ilay hoe Fidirana>>. Dia ery ambony misy hoe Réglages (Fanamboarana) dia tsindrio io. Rehefa tafiditra ao ianao dia tsindrio ilay hoe Paramètres du blog (Fanovana ny blaogy) dia ho hitanao fa be dia be ny zavatra azonao ovaina momba ny blaoginao. Anisan'izany ny endrika. Jereo ery ambanimbany misy hoe Endrika. Misafidiana endrika eo dia tsindrio ny bokotra [Tehirizo]. Azonao jerena amin'izay rehefa avy eo fa niova ny endriky ny blaoginao.

2. Amin'ny alalan'ny CSS

Napetraka ato amin'ny blaogy.com amin'izao fotoana izao ilay plugin
hoe Fanovana CSS (CSS Overwrite plugin). Ny ataon'io plugin io dia
manova ny endriky ny blaogy arakaraka izay hanaovanao azy. Mila mahay
ny antsoina hoe CSS vao afaka manova azy.

Mandehana ao amin'ny Réglages -> Templates -> Fanovana CSS dia
apetraho ao ny fanovana tianao hatao.

Ohatra fotsiny

Raha tianao hatao lehibe kokoa ny soratra dia ataovy hoe


body {
font-size: 13px;
}

 (tohiny)

Fandefasana Hafatra Avy Amin'ny Imailaka

admin 18 Martsa, 2006 18:50 Vaovao, Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Manomboka izao dia azonao atao ihany koa ny mandefa imailaka ny hafatra
tianao hiseho ao amin'ny blaogy.com. Blaog'imailaka no iantsoantsika
azy.
Rehefa mandefa imailaka ho an'ny solonanarana.fanalahidy@blaogy.com
ianao dia hitranga ao amin'ny blaoginao ny lahatsoratra nalefa. Tandremo,
tsy ny tenimiafina fampiasanao isanandro no antsoina hoe fanalahidy eto.
Inona avy ny zavatra atao? (tohiny)

Blaogy.Com éVolue Vite

admin 17 Martsa, 2006 16:27 Vaovao Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Oui, blaogy.com, bien que beta, évolue très vite. Avec le puissant xmlrpc serveur API à l'intérieur, nous pouvons le pomper de l'extérieur (poster des photo à partir de flickr.com, utiliser w.bloggar, et bientot poster via email et MMS)
Cette  semaine je vais ajouter quelques templates (modèles)... et la semaine prochaine on va ajouter d'autres services.
Comme serasera.org, blaogy.com aura une version complètement en malgache... mais aussi en d'autres langues.

 (tohiny)

Sary Any Amin'ny Serasera Haseho Eto Amin'ny Blaogy

admin 15 Martsa, 2006 00:29 Vaovao, Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Manomboka izao dia misy rohy hoe [Alefaso @ blaogy] eo ambanin'ny sarinao ao amin'ny takelaky ny namana.serasera.org. Raha tsindrinao io rohy io dia misy fomba handefasanao ny sarinao ao amin'ny namana ho hita eto amin'ny blaoginao.

Raha misy fanontaniana na sosokevitra dia azonao apetraka eto. 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)