Lahatsoratra Miafina: Mandeha Indray
Voatery namboarina sy nohamafisina ny momba ny lahatsoratra miafina teto amin'ny blaogy.com. Amin'izao fotoana izao dia mandeha indray izany.
Voatery namboarina sy nohamafisina ny momba ny lahatsoratra miafina teto amin'ny blaogy.com. Amin'izao fotoana izao dia mandeha indray izany.
Efa mandeha tsikelikely ny blaogy.com amin'izao fotoana izao taorian'ny fanavaozana izay natao omaly. Efa afaka miditra sy manoratra. Ny Endriky ny blaogy sasany no niova mandrapaha-vitan'ny fanavaozana tanteraka. (tohiny)
Nandalo fahatapahana nandritra ny ora vitsivitsy ny blaogy.com noho ny famindrana azy ho amin'ny serveur iray matanjaka kokoa. Amin'izao fotoana izao dia efa miverina amin'ny laoniny izany. Ialana tsiny amintsika rehetra ary isaorana be dia be tamin'ny faharetana.
Raha sendra misy olana dia mametraha hevitra eto ambany.
Hery
Manomboka izao dia azonao ovaina ny filaharan'ny lahatsoratra ao amin'ny blaoginao. Azo ovaina hoe ny tranainy no aseho aloha na ny vaovao no aseho aloha.
Natao indrindra izany ho an'ireo mametraka tantara (toa ny tadiompitiavana.blaogy.com) mba ahafahana mamaky voalohany ny zavatra nampidirina voalohany.
Raha tianao hovaina ny firindran'ny lahatsoratra ao amin'ny blaoginao dia midira ao amin'ny Toerana fandrindrana, tsindrio ny Anaran'ny blaoginao. Avy eo dia tsindrio ilay hoe Réglages (Fanovana) dia midira ao amin'ny Paramètres du blog (fanovana ny blaogy) dia ho hitanao ery ambany ery ny hoe Filaharan'ny lahatsoratra.
Endrika iray ihany fa afaka manana loko efatra... noho izany endrika efatra. Nampidirina ho azo ampiasaina ato amin'ny blaogy.com ny endrika Minima karazany efatra dia ny Minima, Minima black, Minima blue ary Minima ochre. Ho an'izay efa nampiasa ny blogger.com dia mahalala tsara azy ireo. Tsotra sy maivana kanefa mendrika.
Ireto ny sary famintinana. Tsindrio ny sary raha tiana hohalehibiazina.
(tohiny)
Powered by LifeType
©
2006 - Design by
Omar Romero
(all rights reserved)