Blaogy Amin'ny Teny Espagnol

admin 31 Martsa, 2006 11:48 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Gaga aho androany fa toa mifidy teny espanola daholo izay nanokatra blaogy teto amin'ny blaogy.com. Dia gaga aho hoe betsaka kosa izany gasy mahaty teny espanola izany. Nisalasala ihany anefa aho dia nanao andrana fanokana blaogy. Dia izay vao hitako hoe inona ny antony.

Rehefa tonga ao amin'ilay hoe Hanokatra blaogy dia rehefa manome anarana ny blaogy sy mifidy teny dia ny teny espanola no voalohany mitranga ao. Koa raha tsy mifidy teny hafa ianao toa ny Teny malagasy na hafa... dia lasa teny espanola ny blaoginao... dia izay vao hitako hoe na tsy namaky tsara ireo olona ireo, na tsy nazava taminy izay novakiany fa mbola notsindriany ihany ilay bokotra hoe Manaraka na dia nanandrakandrana fotsiny tamin'izao fa izay lalany any lalany.

Tsy olana izany, azy ny blaogy... dia azony atao na dia @ teny arabo aza... fa inoako fa hainy koa ny mamerina ny teny ho teny gasy raha sendra tsy fanahiniana.

Jereo ihany ilay hoe Fanorotoroana http://admin.blaogy.com/category/1/92 

Efa nahitsy ho ny teny malagasy izany no voalohany ao.


Endrika Vaovao: Violety :-)

admin 16 Martsa, 2006 02:10 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Misy Endrika (Templates) vaovao nampidirina indray. Violety no nataoko anarany. Io no endrika voalohany namboariko ho an'ny eto amin'ny blaogy.com. Raha mahaliana anareo dia azonareo ampiasaina. Jereo ato ambany ny sariny.

 (tohiny)

Raha Misy Fanontaniana Na Fangatahana

admin 13 Martsa, 2006 13:08 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)
Raha misy fanontaniana na fangatahana izay tianao hapetraka momba ny blaogy.com dia azonao apetraka eto amin'ny hevitra eto ambany fa hovaliako tsikelikely eo. Misaotra daholo.

Afaka Mampiditra Sary Avy Amin'ny Flickr

admin 12 Martsa, 2006 21:06 Ankapobeny, Vaovao, Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

IMGP5079
Originally uploaded by heriniaina.
Azonao atao, sady mora dia mora, ny mampiditra sary avy amin'ny Flickr (jereo flickr.com). Mila manokatra kaonty flickr.com (na raha manana yahoo dia vao mainka tsara). Mora dia mora ny mampiditra sary ao amin'ny Flickr (mila mahay teny anglisy kely fotsiny satria toa mbola tsy misy amin'ny teny Frantsay).
  • Rehefa tafiditra ao amin'ny flickr dia mandeha ao amin'ilay hoe Blog pages (na rohy mivantana http://flickr.com/blogs.gne ). Dia mampiditra blaogy vaovao (Set up your blog).
  • Fidio ao amin'ny karazany ao ny hoe MetaWeblogAPI satria io no ampiasain'ny blaogy.com
  • Ampidirina ny adiresy http://blaogy.com/xmlrpc.php miaraka amin'ny solonanarana sy tenimiafina.

Eo amin'ny sarinao amin'izay misy soratra hoe Blog this dia tsindriana iny dia afaka alefa amin'izay ny sary.
Ity sary ity izao dia avy ao amin'ny flickr.com
Andramo fa mora

Fanampiny

Nampiditra fanazavana arahintsary i fraz ao amin'ny blaoginy ka azonao jerena ny rohy eto ambany

http://fraz.blaogy.com/post/10/743 

 (tohiny)

Endrika (Themes) Telo Vaovao

admin 11 Martsa, 2006 02:34 Ankapobeny Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Nampiditra endrika telo vaovao indray ny ato amin'ny blaogy.com

- forange

- fallingleaves

- minima plus

Azonao ovaina hatrany ny endriky ny blaoginao.

Ny fanovana ny endriky ny blaogy dia toa izao.

  1. Ampidiro ny solonanarana sy tenimiafina
  2. Mandehana eo amin'ilay hoe Réglages (etsy ambony)
  3. Tsindrio ilay hoe Paramètres du Blog
  4. Jereo ery ambanimbany ery ilay hoe Endrika dia safidio ao izay hitanao fa tsara ho anao.
Mazotoa daholo indray e.

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)