Ahoana Ny Fampidirana Sary (Tohiny)
Araka ny nohazavain'i lapino tao amin'ny blaoginy izany dia inoako fa efa haintsika ny fampidirana sary.
(tohiny)Araka ny nohazavain'i lapino tao amin'ny blaoginy izany dia inoako fa efa haintsika ny fampidirana sary.
(tohiny)Raha toa sendra misy mametraka tsikera maro be tsy misy dikany ny blaoginao (Io ilay antsoina ihany koa hoe spam) dia jereo ity rohy ity http://lapino.blaogy.com/post/7/700 fa manazava ny fomba fialàna amin'izany i Lapino ao amin'ny blaoginy.
Manomboka izao dia azonao ovaina ny filaharan'ny lahatsoratra ao amin'ny blaoginao. Azo ovaina hoe ny tranainy no aseho aloha na ny vaovao no aseho aloha.
Natao indrindra izany ho an'ireo mametraka tantara (toa ny tadiompitiavana.blaogy.com) mba ahafahana mamaky voalohany ny zavatra nampidirina voalohany.
Raha tianao hovaina ny firindran'ny lahatsoratra ao amin'ny blaoginao dia midira ao amin'ny Toerana fandrindrana, tsindrio ny Anaran'ny blaoginao. Avy eo dia tsindrio ilay hoe Réglages (Fanovana) dia midira ao amin'ny Paramètres du blog (fanovana ny blaogy) dia ho hitanao ery ambany ery ny hoe Filaharan'ny lahatsoratra.
Endrika iray ihany fa afaka manana loko efatra... noho izany endrika efatra. Nampidirina ho azo ampiasaina ato amin'ny blaogy.com ny endrika Minima karazany efatra dia ny Minima, Minima black, Minima blue ary Minima ochre. Ho an'izay efa nampiasa ny blogger.com dia mahalala tsara azy ireo. Tsotra sy maivana kanefa mendrika.
Ireto ny sary famintinana. Tsindrio ny sary raha tiana hohalehibiazina.
(tohiny)Gaga aho androany fa toa mifidy teny espanola daholo izay nanokatra blaogy teto amin'ny blaogy.com. Dia gaga aho hoe betsaka kosa izany gasy mahaty teny espanola izany. Nisalasala ihany anefa aho dia nanao andrana fanokana blaogy. Dia izay vao hitako hoe inona ny antony.
Rehefa tonga ao amin'ilay hoe Hanokatra blaogy dia rehefa manome anarana ny blaogy sy mifidy teny dia ny teny espanola no voalohany mitranga ao. Koa raha tsy mifidy teny hafa ianao toa ny Teny malagasy na hafa... dia lasa teny espanola ny blaoginao... dia izay vao hitako hoe na tsy namaky tsara ireo olona ireo, na tsy nazava taminy izay novakiany fa mbola notsindriany ihany ilay bokotra hoe Manaraka na dia nanandrakandrana fotsiny tamin'izao fa izay lalany any lalany.
Tsy olana izany, azy ny blaogy... dia azony atao na dia @ teny arabo aza... fa inoako fa hainy koa ny mamerina ny teny ho teny gasy raha sendra tsy fanahiniana.
Jereo ihany ilay hoe Fanorotoroana http://admin.blaogy.com/category/1/92
Efa nahitsy ho ny teny malagasy izany no voalohany ao.
Powered by LifeType
©
2006 - Design by
Omar Romero
(all rights reserved)