Ahoana Ny Fanovana Endriky Ny Blaogy?

admin 26 Martsa, 2006 15:45 Endrika, Vaovao, Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Miezaka hatrany izahay mampiditra endrika vaovao ho an'ny blaogy.com. Azonao jerena amin'ity adiresy ity (http://admin.blaogy.com/category/1/83) ny filazana momba ny endrika vaovao. 

Toa izao ary ny fanovana ny endriky ny blaoginao.

1. Fomba tsotra dia tsotra

Mandehana ao amin'ny Toerana fandrindrana (http://blaogy.com) dia ampidiro ny solonanarana sy tenimiafina. Rehefa avy eo dia tsindrio ny anaran'ny blaoginao eo akaikin'ilay hoe Fidirana>>. Dia ery ambony misy hoe Réglages (Fanamboarana) dia tsindrio io. Rehefa tafiditra ao ianao dia tsindrio ilay hoe Paramètres du blog (Fanovana ny blaogy) dia ho hitanao fa be dia be ny zavatra azonao ovaina momba ny blaoginao. Anisan'izany ny endrika. Jereo ery ambanimbany misy hoe Endrika. Misafidiana endrika eo dia tsindrio ny bokotra [Tehirizo]. Azonao jerena amin'izay rehefa avy eo fa niova ny endriky ny blaoginao.

2. Amin'ny alalan'ny CSS

Napetraka ato amin'ny blaogy.com amin'izao fotoana izao ilay plugin
hoe Fanovana CSS (CSS Overwrite plugin). Ny ataon'io plugin io dia
manova ny endriky ny blaogy arakaraka izay hanaovanao azy. Mila mahay
ny antsoina hoe CSS vao afaka manova azy.

Mandehana ao amin'ny Réglages -> Templates -> Fanovana CSS dia
apetraho ao ny fanovana tianao hatao.

Ohatra fotsiny

Raha tianao hatao lehibe kokoa ny soratra dia ataovy hoe


body {
font-size: 13px;
}

 (tohiny)

Endrika Efatra Vaovao

admin 01 Aprily, 2006 15:26 Endrika, Vaovao Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Endrika iray ihany fa afaka manana loko efatra... noho izany endrika efatra. Nampidirina ho azo ampiasaina ato amin'ny blaogy.com ny endrika Minima karazany efatra dia ny Minima, Minima black, Minima blue ary Minima ochre. Ho an'izay efa nampiasa ny blogger.com dia mahalala tsara azy ireo. Tsotra sy maivana kanefa mendrika.

Ireto ny sary famintinana. Tsindrio ny sary raha tiana hohalehibiazina. 

 (tohiny)
«Mialoha   1 2

Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)