Ahoana Ny Fampidirana Sary (Tohiny)

admin 03 Jiona, 2006 01:00 Fanoroana Rohy maharitra Verindrohy (trackback) (0)

Araka ny nohazavain'i lapino tao amin'ny blaoginy izany dia inoako fa efa haintsika ny fampidirana sary.

Fampatsiahivana kely fotsiny.

Raha toa ka fantatrao ny adiresin'ny sary izany hoe manana endrika toa izao http://site.com/repertoire/sary.jpg  dia tonga dia azo tsindrina ilay sarikely eo ambonin'ny fanoratana () dia misokatra ny varavarankely dia azonao apetraka ao amin'izay ilay adiresin'ny sary voalaza tetsy ambony (jereo sary eto ambany).

Fampidirana sary 

Jereo fa azonao ovaina ny habe'ny sary (jereo ilay nasiako boribory faharoa) alohan'ny hampidirana azy. Tsindrio ny bouton hoe insert dia ho tafiditra amin'izay ny sary.

Raha toa moa ka mbola  lehibe ilay sary na tsy mifanaraka amin'ny ilànao azy dia tsindrio indray (na selectionner-na) ilay sary, avy eo dia averina tsindrina ilay sary kely fampidirana sary  dia azonao ovaina daholo indray ny habeny sns.

 


Powered by LifeType
© 2006 - Design by Omar Romero (all rights reserved)